Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 9, 15. 24-28)

Nanolotra ny Tenany indray mandeha monja Izy mba hanala ny ota ary mba hiseho fanindroany ho an’ireo miandry Azy.

Ry kristianina havana,
i Kristy no Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao,
mba hahazoan’izay voaantso
ny lova mandrakizay nampanantenaina azy,
rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana
natao tamin’ny fanekena taloha.
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana
sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy,
fa tany an-danitra mihitsy,
mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra
ho antsika ankehitriny.
Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona
tao amin’ny fitoerana masina
sy nitondra ran-javatra hafa Izy,
ka hoe hanolo-tena matetika;
raha izany dia ho nijaly matetika Izy
hatrizay nanaovana izao tontolo izao;
fa indray mandeha monja Izy no niseho
tamin’izao andro farany izao,
mba hamongotra ny fahotana
tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha
sy hotsaraina rahefa afaka izany
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa
mba hanala ny fahotan’ny maro,
sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany
mba hamonjy izay miandry Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6)

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo manambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!

Miantsà ny Tompo amim-baliha,
amim-baliha sy hira fiantsana,
amin’antsiva sy feon’anjomara!
Mihobia anoloan’ny Tompo Mpanjaka!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna
izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo
ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery
sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery,
vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo
fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona
amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra
izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe:
manana fanahy maloto Izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...