Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 1-10)

Inty aho tonga, hanao ny sitraponao Andriamanitra ô!

Ry kristianina havana,
ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy,
fa tsy ny tena endri-javatra,
ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny
dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.
Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona?
satria efa voadio indray mandeha ny mpanatitra,
dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany.
Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona
tamin’ireny sorona ireny,
satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy
no hahafaka ny fahotana?
Noho izany indrindra,
nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy
dia nanao hoe:

“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra,
fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota,
ka hoy Aho hoe: Intý aho tonga
— fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!”

Voalohany aloha lazainy hoe:

Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao
na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,

— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:

Inty Aho tonga hanao ny sitraponao;

ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany
mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitrapo izany
no nanamasina antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany
indray mandeha monja.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 10. 11)

Inty aho, Tompo, tonga hanao ny sitra-ponao.

Niandry aho ka niandry ny Tompo:
ka niondrehany, nohenoiny talaho,
ny vavako nasiany hira vao:
fiderana ny Andriamanitsika!

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo:
tsy akomboko ny molotro.

Tsy afeniko ato anatiko ny fahamarinanao;
ambarako ny toetra mahatoky sy famonjenao;
tsy takonako amin’ny Fiangonam-be
ny hatsaram-po sy fahamarinanao! 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao,
mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy
ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...