Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-2. 8-19)

Manantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao azy izy.

Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay alehany.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina
toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany;
toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba
izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa;
fa nanantena ilay tanàna mafy orina
manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy.
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana,
nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina,
fa nahatazana azy lavitra fotsiny,
dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe:
vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.
Manambara mazava izay milaza izany
fa mitady tanindrazana honenany izy.
Ary raha ny tany nialany no heverina amin’izany
dia ho azony atao ny miverina any indray;
fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany.
Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy,
dia tsy menatra Izy hantsoina hoe: Andriamanitr’izy ireo.
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,
sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahitokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Lioka (Lk. 1, 69-70. 71-72. 73-75)

Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy ny vahoakany.

Fa Izy nanolotra antsika herim-pamonjena
avy amin’ny fianakaviana iray,
dia ny an’i Davida mpanompo tiany,
fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny mpaminany
dia ireo olo-masina fahagola.

Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny razantsika
dia indro tsaroany ny fanekeny.

Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy,
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao;
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery
nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia.”

Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo
ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy
no manaiky Azy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...