Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 32-40)

Nandray fanjakana maro izy ireo noho ny finoany. Isika no nanamboaran’Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa.

Ry kristianina havana, inona koa no holazaiko.
Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna,
i Baraka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpamimany:
fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro,
niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona,
namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina,
nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;
nandraisan’ny vehivavy ny zanany maty voatsangan-ko velona.
Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany,
mba hahazoany ny fitsanganan-ko velona tsaratsara kokoa;
ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin’ny tranomaizina;
notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra,
nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona,
nenjehina, nampahorina, nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao,
nirenireny tany an’efitra izy, sy tany an-tendrombohitra,
ary tany an-johy mbamin’ny tany an-dava-tany.
Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo,
dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina,
fa isika no namboarin’Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa,
ka tsy tonga amin’ny fahatanterahana ireo raha tsy mba efa mby eo koa isika.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 30, 20. 21. 22. 23. 24)

Mahereza, hatanjaho ny fo, ianareo rehetra miantehitra amin’ny Tompo.

Akory ity haben’ny hatsaranao
izay atokanao ho an’ny matahotra Anao,
sy asehonao ny mpifefy aminao
eo anoloan’ny zanak’olombelona.

Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitry ny tetika ataon’ny olona;
ny fialofanao no ampierenao azy,
lavitry ny lela mpanangana ady.

Isaorana ny Tompo
fa nataony nigagana
ny hatsaram-pony tamiko
tamin’ny andro fahoriana!

Taitra loatra aho, ka loa-bolana hoe:
“Voatsipy lavitry ny masonao aho!”
Kanjo henonao ny feoko mitaraina,
fony izaho niantso Anao.

Tiava ny Tompo, ry mpivavaka rehetra:
fa ny Tompo miambina ny mpino;
fa ny mpiavona kosa
valiany tsy an’erany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.

Tamin’izany andro izany,
nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany
dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny;
ka vao niala tao an-tsambo kely Izy,
dia inty nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto
avy tany am-pasana nanatona Azy.
Tany am-pasana izy io no nitoetra,
ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony
na dia tamin’ny gadra aza,
fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra
sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany,
nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany,
ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy
no mirenireny na andro na alina,
sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato.
Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy
dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany,
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Moa mifaninona izaho sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra?
Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho,
aza dia mampijaly ahy”,

satria i Jesoa efa nanao taminy hoe:

“Mivoaha amin’ity lehilahy ity,
ry fanahy maloto.”

Ary nanontany azy Izy nanao hoe:

“Iza no anaranao?”

Dia novaliany hoe:

“Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.”

Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny
hiala amin’izany tany izany.
Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka,
andiany iray, nihinana,
ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe:

“Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa
mba hiditra ao aminy. Dia nekeny.”

Ka nivoaka ny fanahy maloto,
dia niditra tao anatin’ny kisoa,
ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana
ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray,
tokony ho roa arivo,
ka maty tao amin’ny ranomasina.
Dia nandositra ny mpiandry azy
ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha;
ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.
Nankany amin’i Jesoa izy ireo,
ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona)
nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina,
ka raiki-tahotra tery.
Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo
izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa,
dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo,
mba hiala amin’ny taniny.
Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy,
dia niangavy taminy ilay azon’ny demony
mba hanaraka Azy;
fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy:

“Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao
ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao
sy ny namindrany fo taminao.”

Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy,
ary gaga ny olona rehetra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...