Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 12, 1-4)

Aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao.

Ry Kristianina havana,
noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany,
dia aoka isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika,
sy ny fahotana izay manarona antsika,
ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao,
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana,
izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany,
nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy ny tsy nitandro henatra koa;
ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy,
mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo.
Ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin’ny fahalatsahan’ny ranareo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 21, 26b-27. 28 sy 30. 31-32)

Ireo mitady ny Tompo hidera Azy.

Izaho hametsivetsy Anao ao am-piangonam-be
sy hanala voady anoloan’ny matahotra Azy.
Ny ory hihinana ka ho voky;
ireo mitady ny Tompo hidera Azy:
“Veloma ny ainareo mandrakizay!”

Ny faran’ny tany hahatsiaro, ka hiverina amin’ny Tompo;
ny fiankohonam-pirenena hiankohoka eo anoloany avokoa.
Ireo rehetra matory amin’ny tany hiankohoka aminy;
ireo rehetra mitsitra eo am-bovoka hiondrika anoloany.

Ny fanahiko hivelona aminy; ny taranako hanompo Azy.
Ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo,
ny vahoaka vao ho teraka hanambarana ny fahamarinany:
“izao sy izao no nataon’ny Tompo...!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo,
ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangana.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa
ka tafita indray,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaira,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:

“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy.”

Dia nandeha niaraka taminy Izy,
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpanao fanafody maro
sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively,
fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy, dia nisisika tamin’ny vahoaka
ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, fa hoy izy:

“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko,
dia ho sitrana aho.”

Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa
fa nisy hery nivoaka tamin’ny tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:

“Iza no nanendry ny fitafiako?”

Ary hoy ny mpianany taminy:

“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”

Dia nijerijery manodidina Azy Izy
hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra
satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:

“Anaka: ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.”

Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:

“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:

“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.”

Ary tsy nisy navelany nanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba
ary i Joany rahalahin’i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ny olona hoe:

“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory.”

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:

“Talita, Komy, izany hoe:
Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.”

Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy
ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...