Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 12, 4-7. 11-15)

Izay tian’ny Tompo no faiziny.

Ry kristianina havana,
ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota
hatramin’ny fahalatsahan’ny ranareo,
ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo
toy ny amin’ny zanaka hoe:

“Anaka, aza manamavo ny famaizan’ny Tompo,
ary aza mba ketraka amin’ny fananarany anao;
fa izay tian’ny Tompo no faiziny,
ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny.”

Fampianarana ho anareo ny fikapohany;
fa toy ny zanaka no itondran’Andriamanitra anareo,
ka iza no zanaka, tsy faizin’ny rainy?
Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy
ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly;
nefa any aoriana kosa,
dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana
ho an’izay nandray azy izy.
Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka:
ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo
mba tsy hibirioka ny mandringa,
fa hijoro mahitsy tsara.
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra,
ary mikatsaha fahamasinana,
fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra;
aza avela hisy faka mangidy maniry,
sao manakorontana sy mandoto ny maro.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 102, 1-2. 13-14. 17-18a)

Mandrakizay ny hatsaram-pon’ny Tompo amin’izay matahotra Azy.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!

Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany;
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy!
Fa Izy mahalala ny nanaovana antsika:
tsaroany tokoa fa vovoka isika.

Fa ny hatsaram-pon’ny Tompo dia mandrakizay
amin’izay matahotra Azy sy amin’ny dimbin’ireo,
amin’izay mitandrina ny fanekeny,
sy mahatsiaro ny didiny hankatoavana Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo ny fonay,
mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny ihany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy,
ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rahefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy
no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:

“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna?
Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?”

Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny
sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.”

Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...