Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 12, 18-19. 21-24)

Nanatona ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona ianareo.

Ry kristianina havana,
tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo ianareo,
sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,
ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre,
ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo.
Loza loatra no niseho tamin’izay, ka i Môizy avy no vaky hoe:

“Tsiravina sy rano an-dravina aho!”

Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitra velona,
izay Jerosalema any an-danitra,
sy ny fivorian’ny Anjely alinalina,
ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra,
ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra,
ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,
sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao,
ary ny ran’ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an’i Abela.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 47, 1-3a. 3b-4. 9. 10-11)

Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao ao anivon’ny tempolinao.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra
ao amin’ny Tanànan’ny Andriamanitsika!
Ny vohiny masina: tsara fideza,
fifalian’ny tany tontolo.

Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra,
Tanànan’ny Mpanjaka lehibe!
Andriamanitra amin’ireo tilikambony
mitomban-ko fiarovana avo.

Araka ny henonay no mbola hitanay
ao an-Tanànan’ny Tompon’ny tafika,
ao an-Tanànan’ny Andriamanitray!
Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.

Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao
ao anivon’ny tempolinao.
Ny voninahitrao dia toy ny Lanitrao
mitatao ny tany tontolo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)

Nanomboka naniraka azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany,
niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa,
ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto.
Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo
na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony,
afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa,
ary tsy mitondra akanjo roa.
Ary hoy koa Izy taminy:

“Na aiza na aiza halehanareo,
dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo,
dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo
ho fiampangana azy.”

Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona
fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro,
ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...