Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 1-8)

I Jesoa Kristy dia tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay.

Ry kristianina havana,
mahareta amin’ny fitiavana.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny,
fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely,
nefa tsy nahahala azy.
Tsarovy izay mifatotra,
aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo;
ary izay ampahoriana koa,
fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana,
ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady,
fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana;
mionòna amin’izay anananareo, fa tenan’Andriamanitra no nilaza hoe:

“Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
ka sahintsika ny manao amim-pitokiana hoe:
Andriamanitra no vonjiko,
ka tsy hatahotra na inona na inona aho;
inona no azon’ny olona atao amiko?”

Tsarovy ny mpitondra anareo,
izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo;
diniho ny niafaran’ny fiainany;
ka alao tahaka ny finoany;
i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 26, 1. 3. 5. 8b-9abd)

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Raha tafika no mitoby hiady amiko,
tsy miraika ny foko;
raha andiany no mirongatra hamely,
matoky hatrany aho.

Amin’ny andro fahoriana aho
afeniny amin’ny efitra fialofany;
takonany ao am-pierena ao an-dainy,
asandrany ambony vatolampy.

Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao!
Aza afenina ahy ny tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao;
tariho amin’ny Fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

I Joany izay e dia ilay notapahiko ny lohany fa efa nitsangan-ko velona izy.

Tamin’izany andro izany:
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe:

“I Joany Batista nitsangan-ko velona izay,
ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”;

fa ny sasany kosa nanao hoe:

“I Elia izay”,

ary ny hafa indray dia hoe:

“Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.”

Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe:

“I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany,
fa efa nitsangan-ko velona izy.”

Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra
sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.”

Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina,
ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo
ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:

“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”,

sady nampiany tamim-pianianana hoe:

“Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.”

Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe:

“Inona no angatahiko?”

Ary hoy reniny:

“Ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy,
ka nangataka hoe:

“Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao
ny lohan’i Joany Batista.”

Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany
sy noho ireo olona niara-nihinana taminy,
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray
nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy
dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...