Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 58, 7-10)

Hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao.

Izao no lazain’ny Tompo:

Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa;
ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana,
sy ny hampiantranoanao ireo mahantra sy tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinana, hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodilalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe:

“Inty Aho!”

Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga,
ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 111, 45. 6-7. 8a sy 9)

Ny olo-marina tsilovina raha maizina.

Ny olo-mahitsy fanilo amin’ny haizina,
fa marina, mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra
ny lalany voalamina araka ny rariny.

Tsia, tsy hirona izy mandrakizay,
ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany
ny fony mitombina matoky ny Tompo.

Ny fony tsy matahotra fa mandry feizay,
mahafoy izy, omeny be ny mahantra
ny soa ataony maharitra mandrakizay,
ny hery sy voninahiny miasa mitombo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 1-5)

Notorìko taminareo ny fanambaran’i Kristy voafantsika.

Ry kristianina havana,
fony aho tonga taty aminareo,
dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena
no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo.
Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa
afa-tsy i Jesoa Kristy aho taty aminareo,
indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be
no nanatonako anareo;
sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana
no nampianarako sy nitoriako teny taminareo,
fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy
sy ny herin’Andriamanitra azy, ho marina;
mba tsy hiorenan’ny fonareo amin’ny fahendren’olombelona,
fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso,
hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo antampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro,
ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo,
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay an-danitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...