Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 1, 1-19)

Niteny Andriamanitra, ary dia vita araka izay nolazainy.

Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
Tsy nisy endrika sady foana ny tany;
ny haizina nanarona ny hantsana
ary ny Fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.
Hoy Andriamanitra:

“Misia ny mazava.”

Dia nisy ny mazava.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava.
Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina.
Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina.
Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.

Hoy Andriamanitra:

“Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano,
ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano.”

Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka,
ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny
tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka.
Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Hoy Andriamanitra:

“Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray
ny rano eo ambanin’ny lanitra,
ka aoka hiseho ny maina.”

Dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra hoe tany, ny maina;
ary nataony hoe ranomasina, ny rano tafangona,
ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Dia hoy Andriamanitra:

“Aoka ny tany haniry ahitra maitso
sy anana mamoa ary hazo mamoa,
samy mamoa misy ny voany ao aminy,
araka ny karazany avy,
eny ambonin’ny tany.”

Dia tanteraka izany.
Ary ny tany naniry ahitra maitso
sy anana mamoa samy araka ny karazany avy,
ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy,
samy araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.

Hoy Andriamanitra:

“Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra,
mba hampisaraka ny andro sy ny alina ;
ary aoka izy ho famantarana,
ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona;
ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra
hanazava ny tany.”

Dia tanteraka izany.
Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra;
ny lehibebe kokoa hitarika ny andro,
ny kelikely kokoa hitarika ny alina,
ary nanao ny kintana koa.
Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo
hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina,
hampisaraka ny mazava sy ny maizina;
ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 103, 1-2a. 5-6. 10 sy 12. 24 sy 35d)

Ny Tompo anie hifaly amin’ny asany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Lehibe aoka izany Ianao, ry Tompo Andriamanitro,
izay mitafy fahamendrehana sy fiandrianana,
mifono hazavana ho toa akanjo.

Ianao nandraikitra ny tany tamin’ny fanorenany,
mba tsy hihetsehany mandrakizay!
Ny ranobe no toa bodofotsy narakotrao azy:
ka nianina teny an-tampon’ny vohitra ny rano.

Nampiboika loharano teny an-dohasaha Ianao,
sy nitarika azy ho eny anelanelam-bohitra;
hitoeran’ny voron’ny lanitra eo amboniny,
ka hikarantsanany anaty ravin-kazo!

Drey ny hamaroan’ny asanao, ry Tompo!
Sady vita amim-pahendrena avokoa!
Ny tany henika ny harenao!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo,
ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

Izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Tamin’izany andro izany,
nony tafita i Jesoa sy ny mpianany,
dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo.
Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo,
dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona,
ka lasa nitety ny manodidina,
ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana
ho any amin’izay reny fa misy Azy.
Na taiza na taiza nalehany,
na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha,
dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary,
sady niangavy taminy mba havelany hanendry
na dia ny sahondran’akanjony ihany aza,
ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...