Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 1, 20 — 2, 4a)

Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika.

Hoy Andriamanitra:

“Aoka ny rano ho be zava-manan’aina mihelotrelotra;
ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany,
eny amin’ny habakabaky ny lanitra.”

Dia noarìn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano,
sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra
mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy,
mbamin’ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe:

“Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina;
ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.”

Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.

Hoy Andriamanitra:

“Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy,
dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka
sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.”

Dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy,
sy ny biby fiompy araka ny karazany avy,
mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Rahefa izany dia hoy Andriamanitra:

“Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika,
ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voromanidina eny amin’ny habakabaka,
ny biby fiompy sy ny tany rehetra,
ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.”

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy;
mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy,
ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe:

“miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy;
ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voro-manidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.”

Ary hoy Andriamanitra:

“Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy;
izany no atao fihinanareo.
Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voro-manidina
sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany,
ka manam-pofon’aina ao aminy,
dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.”

Dia tanteraka izany.
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony,
ka tsara indrindra izany.
Ary nisy hariva ary nisy maraina: izay no andro fahenina.

Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany
mbamin’izay rehetra momba azy.
Ary tamin’ny andro fahafito
dia efa vitan’Andriamanitra ny asa rehetra nataony.
Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy,
satria tamin’izany andro izany no nitsaharany
tamin’ny zavatra rehetra noarìny tamin’ny nanaovany azy.
Izay no tantaran’ny lanitra sy ny tany, rahefa voaary izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 8, 4-5. 6-7. 8-9)

Ry Tompo Andriamanitray ô, drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany.

Raha nahita ny lanitra nataon’ny tananao aho,
ny volana, ny kintana izay namboarinao.
Fa inona ny olona no mba tsiahivinao,
ny zanak’olombelona he tsimbininao!

Fa lasa ambany kely noho ireo andriamanitra izy,
ka heni-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy,
ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany!

Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia,
ny biby izay mandady sy mandia izany tany;
ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
izay miriaria sy mifaly eny ambonin’ny onja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo,
ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo.

Tamin’izany andro izany,
niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,
ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa.
— Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana
raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany,
fa mitana ny fanaon-drazana izy;
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.

Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana
dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana.
— Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe:

“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana,
fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?”

Ary hoy ny navaliny azy ireo:

“Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy
araka ny voasoratra hoe:

ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony,
fa manalavitra Ahy ny fony;
koa foana ny ivavahan’ireo amiko
satria didin’olombelona no ataony fampianarana.
Ny didin’Andriamanitra afoinareo,
fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo toy ny manasa tavoara sy kapoaka,
ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo.”

Dia hoy Izy taminy:

“Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra
mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo.
Fa hoy i Môizy:

Manajà ny rainao sy ny reninao; ary koa:
Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty.

Fa hoy kosa ianareo:

Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe:

Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao
dia efa Kôrbana izany hoe: fanatitra ho an’Andriamanitra,
dia tsy avelanareo hanao na inona na inona
ho an’ny rainy na ny reniny intsony,
ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana
ny tenin’Andriamanitra;
sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...