Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 2, 18-25)

Nentiny teo amin’i Adama izy. Ary tonga nofo iray ihany izy roa.

Hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Tsy tsara raha irery ny lehilahy;
fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.”

Ary ny Tompo Andriamanitra,
Izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha
sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka
dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy
mba hahitany izay hanononany azy avy;
hitondran’ny zava-manana aina rehetra
ny anarana homen-dralehilahy azy avy.
Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra,
mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka
sy ny biby eny an-tsaha,
nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.
Ka nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory;
ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray
fa nofo no nakombony ho solony.
Ny taolan-tehezana nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy
dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy.
Ary hoy ralehilahy:

“Amin’izao ity no taolana avy amin’ny taolako,
sy nofo avy amin’ny nofoko.”

Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy
ka hikambana amin’ny vadiny;
ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny,
nefa tsy nahamenatra azy izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 127, 1-2. 3. 4-5)

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.

Ny vadinao
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao:
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy
matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao,
ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna,
ary niditra tao an-trano anankiray,
fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray
nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany,
ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy,
ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy.
Fa hoy Izy taminy:

“Aoka ho voky aloha ny zanaka;
fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza
ka atsipy ny amboa.”

Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:

“Marina izany, Tompoko,
kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza
ao ambany latabatra ihany.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana, fa noho izany teny izany,
dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony.”

Nony tonga tany an-tranony izy,
dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara
fa efa nialan’ny demony.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...