Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 4, 1-15. 25)

Namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy,
dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe:

“Efa nampisy olona anankiray aho
tamin’ny fanampian’ny Tompo.”

Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy.

I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.
Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina
ho fanatitra ho an’ny Tompo.
Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny,
mbamin’ny taviny.
Ary ny Tompo nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,
fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny.
Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina:

“Nahoana no tezitra ianao,
ary nahoana no kivy endrika?
Raha tsara ny ataonao,
tsy hankasitrahana va ianao?
Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao,
moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota?
Mankaminao ny faniriany,
fa tsy maintsy maharesy azy kosa ianao.”

Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny:

“Andeha isika ho any an-tsaha.”

Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo,
namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

Dia hoy ny Tompo tamin’i Kaina:

“Aiza i Abela rahalahinao?”

Fa hoy ny navaliny:

“Tsy fantatro.
Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?”

Hoy ny Tompo:

“Inona no nataonao?
fa mitaraina hatraty amiko
ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao,
fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao
nalatsaky ny tanananao.
Rahefa hiasa ny tany ianao
dia tsy hanome vokatra intsony izy,
ary ianao ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany.”

Dia hoy i Kaina tamin’ny Tompo:

“Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny
ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao;
ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho,
ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy.”

Hoy ny Tompo taminy:

“Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina
dia valiana faty impito heny i Kaina.”

Ary nasian’ny Tompo famantarana tamin’i Kaina
mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy,
nataony hoe Seta, fa hoy izy:

“Nomen’Andriamanitra ny fara aho
ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 49, 1 sy 8. 16bd-17. 20-21)

Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo
dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany:
“Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao,
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!”

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny teniko any ivoho.

Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao!
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy
sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:

“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”

Dia nilaozany izy ireo
ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...