Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 9, 1-13)

Hataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.

Nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra,
ka nanao taminy hoe:

“Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin’ny tany rehetra,
ny vorona eny amin’ny habakabaka rehetra,
ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazandrano rehetra anaty ranomasina;
efa natolotra eo an-tananareo ireny.
Ho fihinana ho anareo avokoa
rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina;
fa omeko anareo daholo izany rehetra izany,
toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy;
izany hoe ny rany.
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo,
hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra sy ny olombelona;
ny tanan’olombelona izay mpirahalahy
no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona,
dia mba halatsak’olona koa ny rany,
satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo;
mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.”

Hoy koa Andriamanitra
tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy:

“Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo
sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara
ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony.”

Dia hoy Andriamanitra:

“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako,
ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23)

Avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany.

Hatolotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
hanaja ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.

Soraty izay ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerana masina any ambony Izy mitsinjo;
avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany;
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay;
ary ny taranany hijoro eo anoloanao;
ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)

Ianao no Kristy. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany
nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo,
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”

Ary ireo namaly Azy, nanao hoe:

“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.”

Hoy Izy tamin’izy ireo:

“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Ianao no i Kristy.”

Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy
na amin’iza na amin’iza.
Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo
fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara no filaza izany.

Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy,
ary niteny mafy an’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...