Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 11, 1-9)

Andeha isika hidina ao ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.

Tamin’izany andro izany,
dia iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra.
Nony nandeha niantsinanana ny olona
dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy,
ka niorim-ponenana teo.
Dia nifampilaza izy nanao hoe:

“Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.”

Dia biriky no nataony solom-bato,
ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.

Hoy koa izy:

“Andeha isika hanorina tanàna anankiray,
ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony,
dia hanangana tsangambato ho antsika,
fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.”

Fa nidina kosa ny Tompo hizaha ny tanàna aman-tilikambo
nataon’ny zanak’olombelona.
Dia hoy ny Tompo:

“Indro firenena iray izy ireo
ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra,
ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao;
amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy
tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.
Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny
mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.”

Dia napariakan’ny Tompo avy eo izy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra,
ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony.
Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela,
satria tao no nanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny tany rehetra,
ary avy ao no nampielezan’ny Tompo azy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 32, 10-11. 12-13. 14-15)

Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.

Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombeona.

Any amin’ny toerany onenany Izy
mitsinjo ny mponina rehetra amin’ny tany:
Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
ilay mahafantatra ny asany rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)

Izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy.

Tamin’izany andro izany,
nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:

“Raha misy te-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely
no hamonjy azy.
Inona ny soa azon’ny olona
raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Sa inona no azon’ny olona omena
ho takalon’ny fanahiny?
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko
amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity,
dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona
rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy
otronin’ny Anjely masina.”

Dia hoy koa Izy:

“Lazaiko marina aminareo
fa ny sasany aminareo eto
dia tsy hanandra-pahafatesana
raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra
tonga amin’ny voninahitra.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...