Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 19, 1-2. 17-18)

Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
lazao aminy hoe:

Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Andriamanitrareo.
Aza mankahala ny namanao ao am-ponao, fa mananara ny namanao,
mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Izaho no Tompo Andriamanitrao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13)

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
ny Tompo mangoraka an’izay matahotra Azy.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 3, 16-23)

Anareo ny zavatra rehetra, ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra,
dia mba horavan’Andriamanitra kosa;
satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao,
dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:

Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy;

ary koa hoe:

Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry,
ary fantany fa zava-poana izany.

Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny,
na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko;
ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)

Tiavo ny fahavalonareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:

Maso efai-maso, nify efai-nify.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.
Efa renareo fa voalaza hoe:

Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny havanareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...