Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Sir. 1, 1-10))

Voaary talohan’ny zavatra rehetra ny fahendrena.

Ny fahendrena rehetra dia avy amin’ny Tompo; ao aminy mandrakizay izy.
Iza no mahisa ny fasika amin’ny ranomasina,
ny fiteten’ny ranonorana, ary ny andro efa lasa?
Zovy no mahatakatra ny haavon’ny lanitra sy ny haben’ny tany,
sy ny halalin’ny hantsan’ny fahendrena?
Voaary talohan’ny zavatra rehetra ny fahendrena,
ary ny fahazavan’ny saina hatramin’ny mandrakizay.
Ny loharanon’ny fahendrena
dia ny tenin’Andriamanitra any an-tampon’ny lanitra,
ary ny lalàny dia ny lalàna mandrakizay.
Iza no nanambarana ny foto-pahendrena?
Zovy no nahalala ny heviny lalina?
Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena,
ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin’ny lalany?
Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra,
mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, dia ny Tompo.
Izy no nahary azy;
nahita azy Izy ka nampahalala azy;
nandrotsaka azy tamin’ny asany rehetra Izy,
sy amin’ny nofo rehetra,
araka ny ambaratongam-panomezany.
Notolorany be izay tia Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 92, 1ab. 1d-2. 5)

Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana.

Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana!
Ny Tompo mitafy sy misikina hery.

Izao rehetra izao nataony mafy orina, ka tsy mba hihontsona!
Mijoro hatramin’ny fiandohana ny fiketrahanao!
Efa teo hatramin’ny mandrakizay Ianao.

Eny, mafy orina hatrizay ny fiketrahanao
ary ireo masina ao an-tranonao, ry Tompo,
midera Anao hatramin’ny taona mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana
sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)

Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nidina avy eny an-tendrombohitra ary nankeo amin’ny mpianany,
dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy,
sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa,
ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay.
Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:

“Ny amin’ny inona no iadianareo hevitra amin’ireto?”

Ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana
nankaty aminao aho;
fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy
no mandoa vory sy mikitro-nify, ka efa mihamalazolazo ery
ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho,
fa tsy nahomby izy ireo.”

Dia niteny i Jesoa nanao hoe:

“Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento aty amiko izy.”

Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony,
dia nampifanintontsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.
Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe:

“Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?”

ka novaliany hoe:

“Hatry ny fony izy mbola kely;
ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo
sy tany anaty rano mba hahafaty azy;
ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay,
ary vonjeo izahay!”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Raha hainao ny mino,
tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.”

Niaraka tamin’izay dia niantso mafy ny rain-drazazalahy
no nanao an-dranomaso hoe:

“Mino aho, Tompoko,
fa vonjeo re ity tsy finoako.”

Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa,
dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe:

“Ry fanahy marenina sy moana,
Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io,
ka aza miditra aminy intsony.”

Dia sady ninananana ny demony
no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy,
ka efa toy ny maty ilay zazalahy,
ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.
Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy,
dia nareniny, ka nitsangana.
Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe:

“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”

Ka hoy Izy taminy:

“Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana
sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...