Vakiteny voalohany

Bokin'i Siraka (Sir. 2, 1-11)

Omano amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.

Anaka, raha mandroso hanompo ny Tompo ianao,
omano ho amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.
Ahitsio ny fonao, ka mahareta,
ary aza mikoropaka foana amin’ny andron’ny fahoriana.
Miraiketa amin’Andriamanitra ianao, ka aza misaraka aminy,
mba hitomboanao ho amin’izay hiafaranao.
Ekeo avokoa izay manjo anao,
ary mandefera amin’ny fifandimbiasan’ny fietrenao.
Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin’ny afo;
ary ny olona ankasitrahan’Andriamanitra kosa,
amin’ny memin’ny fietrena.
Matokia an’Andriamanitra ary Izy hanarina anao;
mizora amin’ny lala-mahitsy ary manantenà Azy.
Miandrasa ny famindram-pony, ianareo matahotra ny Tompo,
ary aza mivily lalana, fandrao dia levona ianareo.
Matokia Azy, ianareo matahotra ny Tompo,
dia tsy ho very valisoa ianareo.
Manantenà, ianareo matahotra ny Tompo,
ny hasambarana, ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.
Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro;
iza no nanantena ny Tompo,
ka nahazo henatra na oviana na oviana?
Zovy no naharitra tsy niala tamin’ny fahatahorana Azy,
ka mba nilaozany?
Iza no niantso Azy, ka latsa no hany azony?
Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo,
ary mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40)

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany, miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Tsy ho maina izy raha mihantona ny ando,
ary ho voky amin’ny tao-mosarena.

Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny olo-meloka ho fongotra mandrakizay;
ny taranaky ny olon-dratsy ho fompotra.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra
mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona. Izay te-ho voalohany no ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany,
namaky an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:

“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona, dia hovonoiny,
fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.”

Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra
no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:

“Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra
sy ho mpanompon’ny olona rehetra.”

Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany; sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony
amin’ny Anarako,
dia handray Ahy,
ary izay mandray Ahy,
dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...