Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Tôbia (Tôb. 1, 1a. 2 ; 2, 1-9)

Andriamanitra no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka.

I Tôbia dia avy amin’ny fokon’i Neftali
sy amin’ny tanànan’i Neftali anankiray.
Lasan-ko babo izy, tamin’ny andron’i Salmanazara, mpanjakan’ny Asirianina,
nefa na tany am-pahababoana tany aza izy,
dia tsy mba niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana.
Taty aorian’izany, tonga ny anankiray amin’ny fetin’ny Tompo,
ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon’i Tôbia,
ka hoy izy tamin’ilay zanany:

“Mandehana ary mitondrà mankaty olona vitsivitsy iray foko amintsika,
izay matahotra an’Andriamanitra,
hiara-misakafo amintsika.”

Dia lasa ilay zanany;
nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak’i Israely anankiray,
novonoin’olona,
ka mitsitra foana ao an-dalambe ao.
Nitsangana niaraka tamin’izay i Tôbia,
niala tamin’ny latabatra, navelany teo ny sakafo,
tsy nihinana izy na dia kely aza;
nony tonga tany amin’ilay faty izy,
nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony,
haleviny amim-pahamalinana, rahefa maty ny masoandro.
Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso,
fa tsaroany ilay tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Amôsa mpaminany hoe:

“Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo.”

Nony maty ny masoandro, dia nivoaka handevina ilay faty izy.
Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe:

“Efa nodidiana hovonoina ho faty ianao noho izany ihany,
ary vao afaka tamin’izany fanamelohana ho faty izany ianao,
dia manomboka mandevina ny maty indray!”

Andriamanitra anefa no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka,
ka nalainy ihany ny fatin’ireo novonoina,
nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)

Nosamborin’izy ireo ilay zanany malalany indrindra ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny fanoharana
tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanao hoe:

“Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka,
ka namefy azy manodidina,
nandavaka tany hanaovana famiazana,
nanorina tilikambo tao,
ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka,
dia lasa nankany an-tany hafa.
Nony tonga ny fotoana,
dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy
mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka:
fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo,
ka sady nokapohiny no nampodìny maina.
Dia naniraka ankizilahy hafa ho any aminy indray izy,
fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.
Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny;
ary nisy maro hafa koa,
fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.
Dia ny zanany lahitokana malalany indrindra no sisa tao aminy,
ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy:

‘Hanaja ny zanako izy.’

Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe:

‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy,
dia ho lasantsika ny lova.’

Dia nosamboriny izy ka novonoiny,
ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany?
Ho avy izy ka ny mpiasa haringany,
ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa.
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:

‘Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika?’

Ary nitady hisambotra Azy izy ireo,
satria fantany fa Izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany,
saingy natahotra ny vahoaka izy;
koa nandao Azy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...