Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 15, 1-12. 17-18)

Nino ny Tompo i Abrahama ary neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Tamin’izany andro izany,
tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Aza matahotra, ry Abrahama,
fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.”

Fa hoy ny navalin’i Abrahama:

“Ry Tompo Andriamanitra ô, inona no omenao ahy?
Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko
dia i Eliezera avy any Damasy.”

Nanampy teny ihany i Abrahama:

“Tsy nomenao fara handimby aho,
ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.”

Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Tsy izy io no mpandova anao,
fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.”

Dia nentiny nivoaka izy, ka nilazany hoe:

“Atopazo hijery ny lanitra ny masonao
ka isao ny kintana raha mahaisa azy ianao”,

ary hoy Izy taminy:

“Ho tahaka izay ny taranakao.”

Ary nino i Abrahama ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Ary hoy Izy taminy:

“Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina,
mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Ry Tompo Andriamanitra ô,
inona no hahafantarako fa hanana izany aho?”

Dia hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray,
osivavy efa telo taona iray,
domohina iray ary vanto-boromailala iray.”

Dia nentin’i Abrahama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo,
ka nosasahany roa mitovy avy izy rehetra ireo,
dia nifampifanandrifiny avy ny vakiny;
fa ny vorona kosa tsy mba nosasahany.
Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza,
fa noroahin’i Abrahama.
Raha ilay nilentika iny ny masoandro,
dia rendriky ny torimaso mafy i Abrahama,
ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.
Nony maty ny masoandro ka efa maizina ny andro,
dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra
namakivaky iretsy biby voasasaka.
Tamin’izany andro izany,
nanao fanekena tamin’i Abrahama ny Tompo nanao hoe:

“Homeko ny taranakao ity tany ity,
hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe,
dia i Eofrata izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9

Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo!
Antsao ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga.

Ireharehao ny Anarany Masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny Heriny!
Tadiavo lalandava ny Tavany!

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny Fitsaràny.

Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny,
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa,
fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)

Ny voany no hahafantaranareo azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo
manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
ny voany no hahafantaranareo azy.
Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona,
na voan’aviavy amin’ny hery?
Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara,
ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.
Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy,
ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara
hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:
ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...