Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 10-11)

Ny ranon’orana mampaniry ny zava-maniry amin’ny tany.

Izao no lazain’ny Tompo:

Ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra tsy miverina any,
raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako;
tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 64, 10abde. 10-11. 12-13. 14

Fa ny voa izay sendra tany lonaka dia hahavokatra be dia be.

Mamangy ny tany Ianao, ry Tompo,
manondraka azy amin’ora-mikija,
dibaka ny onin’Andriamanitra:
manomana vary ho anay manko Ianao!

Voakolokolonao ny tany:
ny soritr’asa ataonao ampoka,
ny bainga motehinao sy arovanao,
tahìnao indrindra ny tsirim-bary.

Dia ny faraòrana no toy ny fehiloha
izay asatrokao ny taona.
Ka fitahiana mitafotafo
no amin’izay nandalovanao!

Ny ahitra an-tanety, maitso mavana.
Ny tanim-bilona, rakotra ondry aman’osy,
ny vary, miavosa eny an-dohasaha;
ka manakoako ny hira sy ny hoby!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-23)

Indrakindrafina be ihany ny zava-boaary, miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafina be ihany ny zava-boaary rehetra,
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompon’ny zava-poana,
tsy araka ny nàhiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika, fa mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio Mt. 13, 1-23

Indro nivoaka hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsaka lalina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.

Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”

Namaly Izy ka nanao taminy hoe:

“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny Fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahalala;
ka tanteraka aminy ilay fanoharan’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy,
ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny,
ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko’.
Fa ianareo kosa,
sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.

Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita,
ary handre ny renareo fa tsy nandre.
Ka henoy àry ny hevitry ny fanoharana amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay nafafy tao am-pony:
dia izay no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay nandre ny teny sy nandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorina mafy izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay nandre ny teny,
fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena,
mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no ilay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio Mt. 13, 1-9

Indro nivoaka hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsaka lalina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...