Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 24, 3-8)

Ity no ran’ny fanekena ataon’ny Tompo aminareo.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga i Môizy nitantara tamin’ny vahoaka ny tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra,
ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe:

“Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.”

Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’ny Tompo.
Dia nifoha maraina koa izy,
nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra
sy nanangana tsangambato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy,
ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany,
ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena
ary novakìny teo anatrehan’ny vahoaka izay namaly hoe:

“Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’ny Tompo.”

Dia nalain’i Môizy ny ra,
nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe:

“Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo
momba izany teny rehetra izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15

Ny saotra, atao fanatitra ho an’Andriamanitra.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany.
Indro Andriamanitra mamiratra
ao Siôna fanaperan-tsoa!

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona.
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara!

Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana,
fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

Avelao haniry ambara-piavin’ny fijinjana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:
‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’
‘Ny fahavaloko no nanao izany‘, hoy ny navaliny.
‘Tianao va ny handehananay hiava azy?‘ hoy ireo mpanompony taminy.
‘Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana;
ary angony ho any an-tsompitra ny vary’.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...