Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 32, 15-24. 30-34)

Efa nahavita heloka bevava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.

Tamin’izay i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra;
nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona,
takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa;
voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa.
Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo,
ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasokitra tamin’ny takelaka.
Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe:

“Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.”

Fa hoy ny navalin’i Môizy:

“Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany
fa feon’olona mihira no reko.”

Nony mby teo akakin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy,
ka nirehitra ny hatezeran’i Môizy,
nazerany ny takelaka teny an-tanany,
sady novakivakiny teo am-bodin’ny tendrombohitra.
Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo,
nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony,
ary nafafiny tao anaty rano ny vovony,
ka nampisotroiny ny zanak’i Israely.

Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna:

“Fa nataon’ity vahoaka ity ahoana ianao
no dia notsindrinao heloka be vava toy izao izy?”

Hoy Aarôna namaly azy:

“Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko.
Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity.
Izao no nolazain’izy ireo tamiko:

‘Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay,
fa raha ny amin’iny Môizy iny,
ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta,
tsy fantatray na naninona izy na naninona.’

Dia hoy aho tamin’izy ireo:

‘Samia ary mahafoy ny azy izay manam-bolamena.’

Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo,
dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.”

Nony ampitso, dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

“Efa nahavita heloka be vava ianareo,
ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’ny Tompo aho,
fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.”

Dia niverina nankany amin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe:

“Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io,
fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.
Ary ankehitriny avelao re ny helony;
fa raha tsy izany,
vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.”

Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko.
Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao.
Indro fa handeha eo alohanao ny anjeliko,
nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 19-20. 21-22. 23

Derao ny Tompo fa tsara.

Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombalahy homana ahitra.

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy Azy.
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.

Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny
no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)

Tonga hazo ny voatsinapy, dia avy ny voromanidina mipetraka eo amin’ny rantsany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voatsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy;
fa rahefa mitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.”

Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra, dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana,
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.”

Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe:
‘Hiloa-bava hilaza fanoharana aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao’.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...