Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 33, 7-11 ; 34, 5b-9. 28)

Niteny nifanatrika tamin’i Môizy ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, dia nalain’i Môizy ny trano lay,
ka naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany; nataony hoe:

“Ny trano lay fihaonana” no anarany;

ary na zovy na zovy nitady ny Tompo dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana
teo ivelan’ny toby.
Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana,
ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran’ny lay
manara-maso an’i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay.
Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy,
ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay,
ary ny Tompo miresaka amin’i Môizy.
Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka rehetra
ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy.
Ary ny Tompo miresaka mifanatrika amin’i Môizy,
mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany.
Rahefa izany dia miverina mankany amin’ny toby i Môizy,
fa i Jôsoe zanak’i Nôna, ilay zatovolahy mpanompony,
tsy mba niala tao afovoan’ny trano lay.

Ary niantso ny anaran’ny Tompo i Môizy.
Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe:

“Ny Tompo! Ny Tompo!
Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
maharipo sy be hatsaram-po amam-pahamarinana;
mitahiry ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo,
mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana,
nefa tsy avelany ho afa-maina ireny,
fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy,
hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.”

Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy,
dia niankohoka nanao hoe:

“Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo,
aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity.
Avelao ny heloka amam-pahotanay,
ary raiso ho lovanao izahay.”

Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’ny Tompo tao;
tsy nihina-mofo na nisotro rano akory.
Ary nosoratan’ny Tompo tamin’ireo takelaka
ny tenin’ny fanekem-pihavanana, dia ny Teny folo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 6-7. 8-9. 10-11. 12-13

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Manome rariny ny Tompo;
omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra.
Nampahafantatra ny Lalàny an’i Môizy Izy,
sy ny asany vaventy... ny zanak’i Israely.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo;
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.
Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Tsy araka ny otantsika no ataony antsika;
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Fa tahaka ny haavon’ny Lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.

Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika.
Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany,
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray;
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.”

Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe:

“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony;
ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja, dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...