Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 40, 16-21. 34-38)

Ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana.

Tamin’izany andro izany,
nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’ny Tompo azy, dia vitany araka izany.
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa,
dia voatsangana ny Fonenana.
Natsangan’i Môizy ny Fonenana;
naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany,
dia natsangany ny andriny.
Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana,
ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay,
araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy.
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara;
nataony tamin’ny fiara ny bao,
ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara,
dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny Vavolombelona,
araka ny nandidian’ny Tompo an’i Moizy.

Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana;
ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana.
Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy,
fa nijanona teo amboniny ny rahona,
ary nameno ny Fonenana ny voninahitry ny Tompo.
Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely,
dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona,
fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona,
mandrapahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray.
Fa ny rahon’ny Tompo dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro,
ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’iIsraely rehetra, teo amin’ny rahona,
mandritra ny andro rehetra nandehanany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a. sy 8a. 11

Drey mahatehotia ny Fonenanao, ry Tompon’ny Tafika!

Ny fanahiko manembona ka reraka,
manina ny Kianjan’ny Tompo!
Ny foko sy nofoko
mihoby an’ilay Andriamanitra velona!

Ny fody avy no mahita trano,
ny sidintsidina mahita akany ho an-janany
eo anilan’ny alitaranao,
ry Tompon’ny Tafika, ry Mpanjaka sy Andriamanitro!

Sambatra izay monina ao an-tranonao,
ka midera Anao mandrakizay!
Sambatra ny olona izay omenao hery:
mitombo ny hery, ka roso indray ny dia.

Eny, andro iray eo an-Kianjanao,
dia tsara noho ny arivo ao an-tranon’ny tena!
Aleo mijoro eo am-baravaran’ny Andriamanitro,
toy izay miantrano ao an-dain’ny mpanana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)

Fantenany ny tsara hankao an-karona, fa ny ratsy kosa ariany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao:
rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”

Eny, hoy izy ireo taminy.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:

“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy
avy amin’ny fitoeran-drakiny.”

Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...