Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 23, 1. 4-11. 15-16. 27. 34b-37)

Ireo no fetin’ny Tompo antsoinareo andro tena malaza sy tena masina.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Ireto no fetin’ny Tompo,
ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy:
Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana
amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’ny Tompo.
Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io,
dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana ny Tompo;
hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.
Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo,
ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.
Mandritra ny hafitoana,
hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahafito,
hisy fivoriana masina ho anareo,
tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.”

Ary niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe:
Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo,
ka mijinja ny vokatrareo ianareo,
dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.
Hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo io amboara io,
hahitanareo sitraka aminy;
ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.
Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata
amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva
dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo.
Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandrapahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito,
dia hanatitra fanatitra vaovao amin’ny Tompo.
Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny Fanorenana:
Hanao fivoriana masina ianareo,
hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo.

Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny Tabernakla,
mandritra ny hafitoana ho fankalazana ny Tompo.
Amin’ny andro voalohany, hisy fivoriana masina.
Tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo;
mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo,
ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo,
famaranam-pety izany:
tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo.
Ireo no fetin’ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina,
hanaterana amin’ny Tompo sorona atao amin’ny afo,
sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka,
samy amin’ny fotoany avy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 3-4. 5-6b. 10-11ab

Hobio Andriamanitra herintsika.

Hobio Andriamanitra herintsika!
Derao ny Andriamanitr’i Jakôba!
Venteso ny hira, velezo ny amponga;
tendreo ny lokanga soa omban’ny valiha!
Amin’ny tsinambolana sy fenomanana,
tsofy ny anjomara hilanosantsika.

Fa izany no didy, ry Israely,
fitsipiky ny Andriamanitr’i Jakôba,
nataony lalàna ho an’i Jôsefa,
fony izy niala tany Ejipta!
Drey! teny tsy fantatro
izany henoko izany.

Aza mitahiry andriamanitra vahiny!
Aza mitsaoka andriamani-kafa!
Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay nampiakatra anao avy tany Ejipta!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao:
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)

Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va ity? Taiza no nahazoany izany rehetra izany?

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa,
ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany;
dia gaga ny olona ka nanao hoe:

“Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany?
Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io?
Tsy i Maria va no anaran-dreniny,
ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va
no rahalahiny ary moa tsy ety amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra?
Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?”

Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy:

“Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany
no tsy mba voahaja ny mpaminany.”

Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...