Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 25, 1. 8-17)

Amin’ny taona Jobily, hody any amin’ny taniny avy ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy
tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:

“Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao:
fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany.
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito
dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra;
amin’ny andron’ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo,
ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany.
Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy,
samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo:
tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany;
ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
fa Jobily izany, ka masina ho anareo.
Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.

Amin’izany taona Jobily izany,
samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.
Raha misy varotra ifanaovanareo amin’ny namanareo,
na misy zavatra vidinareo aminy,
dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.
Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo
no hividiananao amin’ny namanao,
ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.
Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny,
ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny:
satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.
Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo,
fa matahora an’Andriamanitra,
satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka rehetra, ry Andriamanitra. Hidera Anao ny vahoaka rehetra!

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony!

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.

Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,
ka hoy izy tamin’ny mpanompony:

“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy,
ka izany no ahavitany fahagagana maro.”

Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady io ianao.”

Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:

“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...