Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 1-3)

Faingàna, dia mihinàna.

Izao no lazain’ny Tompo:

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia, mividiàna vary ka mihinàna;
avia mividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy misasatra amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy,
ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{tan=Salamo fandinihana}

Sal. 144, 8-9. 15-16. 17-18

Manokatra ny Tananao Ianao, ry Tompo, ka mamoky zava-tsoa anay.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao,
Ianao mpamahana azy ara-potoana:
ny tananao sokafanao,
dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 35. 37-39)

Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy.

Ry kristianina havana,
iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va sa fahaterena,
sa fanenjehana sa fahanoanana,
sa tsy fananana inoninona sa loza sa sabatra?
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho fa na fahafatesana na fiainana,
na Anjely na fanjakana,
na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy,
na ireo fahefana na ny any ambony na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika;
ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)

Nihinana izy rehetra ka voky.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa ny nahafatesan’i Joany Batista,
dia niondrana an-tsambo kely Izy mba hitokana samy irery any an’efitra;
fa rehefa nahare izany ny vahoaka
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa,
ka nandeha tongotra nanaraka Azy.
Rehefa niala tao an-tsambo Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka;
ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro;
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any amin’ny vohitra”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy tokony handeha izy; fa omeo hanina”.

Dia hoy ireo taminy:

“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa aty aminay”.

Hoy Izy taminy:

“Ento aty amiko izany”.

Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany,
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...