Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 13, 1-2a. 26 — 14, 1. 26-29. 34-35)

Na taiza na taiza, tsy nahita ny tany niriny izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Môizy tao amin’ny tany efitr’i Faràna ny Tompo nanao hoe:

“Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana,
izay omeko ny zanak’i Israely.”

Nony afaka efapolo andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy Aarona,
mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,
tao Kadesy tany an’efitra Faràna.
Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo
ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Izao no filazana nataony tamin’i Môizy:

“Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay.
Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany,
ary itony no vokatry ny tany avy any.
Fa ny vahoaka monina any, mahery;
ny tanàna, sady mimanda no lehibe;
ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.
Amaleka no monina amin’ny faritanin’i Negeba;
ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreanina
no monina amin’ny tendrombohitra;
ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina
sy ny moron’i Jordany.”

Fa i Kabela nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy:

“Andeha isika, hoy izy,
hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.”

Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy:

“Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany,
fa mahery noho isika izy.”

Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely
ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy:

“Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy;
ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;
ary hitanay tany koa ry rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny rapeto:
mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.”

Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra,
ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.

Niteny tamin’i Môizy sy Aarôna ny Tompo nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity?
Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.
Lazao amin’izy ireo hoe:
Velona Aho, hoy ny Tompo;
hataoko aminareo izay noteneninareo tamin’ny sofiko.
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo:
ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa,
ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko.
Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany
— fa soloana taona iray ny andro iray, —
no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo,
ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo.
Izany no teniko, Izaho Tompo.
Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko.
Ho levona aty an’efitra aty izy, ho faty aty.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 6-7a. 13-14. 21-22. 23

Tsarovy izahay, ry Tompo fa tia ny vahoakanao Ianao.

Nanota toy ny Razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy.
Ny Razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.

Kanjo nalaky nanadino ny asany,
sy tsy nahandry ny lahany:
fa voan’ny fitsiriritana tany an’efitra,
ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.

Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny,
no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray
nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe:

“Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”;

fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:

“Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.”

Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Nefa novaliany hoe:

“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.”

Ary hoy ravehivavy:

“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka
avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.”

Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...