Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 20, 1-13)

Hamokatra harena ho azy ianao dia loharanon’ny ranovelona.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tao amin’ny efitra Sina,
tamin’ny volana voalohany ny zanak’i Israely sy ny fiangonana rehetra,
ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka.

Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy.
Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana,
dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.
Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe:

“Inay anie izahay mba maty,
tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’ny Tompo!
Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’ny Tompo amin’ity efitra ity,
mba hahafatesany ato, izahay sy ny biby fiompinay?
Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta
hankatý amin’itony fitoerana ratsy itony?
Tsy mba tany azo hamafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra,
na rano hosotroina akory.”

Dia niala teo amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna,
nankeo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.
Nidaboka niankohoka izy ireo,
dia niseho taminy ny voninahitry ny Tompo.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana.
Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy,
mba hampiboiboika ny ranony izy,
ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao,
ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.”

Dia nalain’i Môizy, araka ny nandidian’ny Tompo azy,
ny tehina izay teo anatrehan’ny Tompo.
Manaraka izany, novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana,
ka hoy i Môizy tamin’izy ireo:

“Mihainoa, ry mpiodina:
hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?”

Dia naingain’i Môizy ny tanany,
ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy,
ka niboika be dia be ny rano,
dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna:

“Noho ianareo tsy nino Ahy,
mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely,
dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.”

Izany no ranon’i Meribà izay nilan’ny zanak’i Israely ady tamin’ny Tompo,
ka nanamasin-tena tamin’izy ireo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 94, 1-2. 6-7. 8-9

Enga anie ianareo anio ka mba hahaino ny feony, aza manamafy ny fonareo.

Avia mifalia ka hobio ny Tompo.
Ilay vatolampy sy vonjintsika.
Andeha mankeo anoloany hisaotra.
Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.

Avia miondreha ary miankohofa.
Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,
fa Izy no tena Andriamanitsika,
isika vahoaka sy ondry fiandriny.
Hihaino Azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy.

Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
toy ny tany Masà sy tany Meribà.
Ny razanareo dia nitsapa Ahy!
Kanefa nahita ny asa vitako.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-23)

Ianao no Piera, vatolampy, homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.”

Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany
mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy.
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry satana!
manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...