Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 6, 4-13)

Tiavo ny Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra.

Hoy i Môizy tamin’ny vahoakan’i Israely:

“Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika dia Izy ihany no Tompo.
Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.
Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany;
ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao,
na mandry ianao, na hiarina.
Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao,
ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao.
Soraty eo amin’ny tolam-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
Raha avy izay hahatafidiran’ny Tompo Andriamanitrao anao
any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao, homena anao,
tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao;
trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao;
dobo famorian-drano, tsy nolavahanao,
voaloboka amam-pototr’ôliva, tsy nambolenao,
dia hihinana sy hivoky ianao;
ka tandremo fandrao manadino ny Tompo izay nampivoaka anao
avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy,
ary aoka ny Anarany no hianiananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab

Mamiko Ianao, ry Tompo, izay heriko.

Mamiko Ianao, ry Tompo izay heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitro mpanafaka
sy haram-bato fialofana.

Ampinga sy tandro-pamonjena,
fiarovana-avo ho ahy!
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!

Veloma anie ny Tompo!
Hisaorana ny vatolampiko.
Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakanay;
anehoany hatsaram-po ny voahosony;
dia i Davida sy ny taranany hatrany amin’ny mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 14-19)

Raha manam-pinoana ianareo, tsy hisy tsy ho azonareo atao.

Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe:

“Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy;
mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra,
fa matetika mianjera any anaty afo,
ary matetika koa any anaty rano.
Nentiko tamin’ny mpianatrao izy,
fa tsy nahasitrana azy izy ireo.”

Ary namaly i Jesoa nanao hoe:

“Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento aty amiko izy.”

Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka,
ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe:

“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”

Hoy i Jesoa taminy:

“Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo.
Fa lazaiko marina aminareo,
fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo,
ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe:
‘Mifindrà erý ianareo’,
dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...