Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 56, 1. 6-7)

Ny zanaky ny vahiny hoentiko eo an-tendrombohitro masina.

Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo:
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ao an-tendrombohitro masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:

“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 66, 2-3. 5. 6 sy 8

Hidera Anao ny vahoaka, Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hain’ny firenen-drehetra ny vonjinao!

Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 11, 13-15. 29-32)

Tsy misy anenenany ny fanomezan’Andriamanitra sy ny fiantsoany an’i Israely.

Aminareo Jentily havana no itenenako:
amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy,
dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,
mba hahavelom-pialonana amin’ireo tapako,
sy hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao.
Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao,
hanao ahoana kosa ny fandraisana azy:
tsy ho fitsanganan-ko velona va?
Satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy Kananeanina anankiray nivoaka avy amin’izany tany izany,
niantsoantso mafy nanao hoe:

“Mamindrà fo amiko,
ry Tompo Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”.

Fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:

“Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”.

Ary hoy ny navaliny azy:

“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho”.

Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Nefa novaliany hoe:

“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”.

Ary hoy ravehivavy:

“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany”.

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”.

Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...