Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 9, 6-15)

Hoy ianao: Aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa ny Tompo no Mpanjakanareo fahiny.

Tamin’izany andro izany,
dia nivory ny mponina rehetra tao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra,
ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka,
teo amin’ny terebintan’ny tsangambato any Sikema.
Nony nilazana izany i Jôatama,
dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima,
ka nanandratra ny feony, nanao hoe:

“Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa.
Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka handimby azy;
ka hoy izy tamin’ny ôliva:

‘Manjakà aminay ianao.’

Fa hoy ny ôliva taminy:

‘Ho foiko va ny diloiloko,
izay mahalaza ahy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’

Dia ny aviavy indray no nataon’ny hazo hoe:

‘Avia, ianao hanjaka aminay.’

Fa hoy ny aviavy taminy:

‘Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto,
ka handeha hihevingevina erý ambony hazo hafa?’

Dia ny voaloboka indray no nilazan’ny hazo hoe:

‘Avia, ianao hanjaka aminay.’

Fa hoy ny voaloboka taminy:

‘Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’

Tamin’izay dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo milobolobo:

‘Avia ianao hanjaka aminay.’

Dia hoy ny tsilo tamin’ny hazo:

‘Raha marina tokoa ary,
fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka,
dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko,
fa raha tsy izany,
aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao!

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao
sy miravo aoka izany amin’ny fandresenao!
Izay irin’ny fony omenao;
ny vavaky ny molony tsy lavinao!

Tsenainao tso-drano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay!

Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy.
Ataonao fitso-drano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Sa ratsy ny masonao satria tsara Aho?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.

Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;
ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy,
mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony.
Dia nankany ireo.
Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy:
Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?
Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay.
Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.

Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:
Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany,
aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.
Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe:
Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.
Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo:
Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehana,
fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho,
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Dia toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...