Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 1-8)

Tonga atý aminareo toy ny ahatongavany eo amin’izao tontolo izao ny teny fahamarinana.

I Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Timôte rahalahy,
dia mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa,
any Kôlôsy:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!
Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay,
amin’ny fivavahana ataonay ho anareo,
hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa,
sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra,
araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.
Ny Evanjely efa tonga atý aminareo,
dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy,
sady vokatra sy mitombo toy ny atý aminareo koa,
hatramin’ny andro nandrenesanareo azy
sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,
araka ny fampianarana noraisinareo tamin’i Epafrasy,
izay namanay malalanay amin’ny fanompoana an’Andriamanitra,
sy mpandraharahan’i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo.
Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 51, 10. 11

Matoky ny hatsaram-pon’Andriamanitra mandrakizay aho.

Fototr’ôliva maitso mavana aho
ao an-tranon’Andriamanitra,
matoky ny hatsaram-pon’Andriamanitra
mandrakizay antaranoana.

Izaho hidera Anao noho ny asanao,
ry Ilay mandrakizay!
hitory ny Anaranao izay tsara,
anoloan’ny mpivavaka aminao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)

Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa,
dia niditra tao an-tranon’i Simôna.
Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay,
ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy.
Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo,
dia niala ny tazo,
ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.

Nony maty ny masoandro,
izay nanana marary na inona na inona aretiny
dia samy nitondra ny azy teo aminy,
ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy.
Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe:

“Ianao no Zanak’Andriamanitra”;

fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.

Raha vao naraina ny andro,
dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy.
Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy,
ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony;
fa hoy Izy taminy:

“Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho,
fa izany no nanirahana Ahy.”

Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...