Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Sir. (Ekl.) 27, 30 - 28, 7)

Avelao ny nataon’ny namana tsy an-drariny, dia havela ny fahotanao raha mifona ianao.

Mendrika hankahalaina ny lolom-po amam-pahatezerana,
ary manana izany ny mpanota.
Izay mamaly ratsy,
dia hiharan’ny fanahin’Andriamanitra,
izay hitahiry fatratra ny fahotany.
Avelao ny nataon’ny namana tsy an-drariny,
dia havela ny fahotanao, rehefa mifona ianao.
Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin’olon-kafa,
nefa mangataka fanasitranana amin’Andriamanitra ho an’ny tenany.
Tsy mamindra fo amin’ny olombelona namany izy,
nefa mitaraina noho ny hadisoan’ny tenany.
Izy izay nofo foana mitahiry lolom-po;
ka zovy indray no hahazo ny famelana ny fahotany?
Tsarovy ny hiafaranao, ka atsaharo ny fankahalana;
tsarovy ny hahalovana amam-pahafatesana
ary tandremo ny didy.
Tsarovy ny didy ka aza manao an-dolom-po amin’ny namana;
tsarovy ny faneken’ny Avo indrindra
ary modia tsy mahita ny fanevatevana anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 102, 1-2. 3-4. 9-10. 11-12

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.

Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no ahatezerany,
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Tahaka ny lanitra mambomba ny tany,
ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy.
Tahaka ny atsinanana lavitra ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm, 14, 7-9)

Ho an’ny Tompo isika na velona na maty.

Ry kristianina havana,
tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra,
na misy maty ho an’ny tenany;
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo;
maty koa, maty ho an’ny Tompo.
Koa amin’izany, na velona na maty isika,
dia ho an’ny Tompo ihany.
Satria i Kristy no maty sy velona indray,
dia ny haha-Tompon’ny maty sy ny velona Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe:

“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny namako
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito,
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany,
ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany,
mbamin’ny fananany rehetra,
mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo,
ka nifona taminy nanao hoe:

“Mba omeo andro aho,
dia haloako daholo ny anao rehetra.”

Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo ity mpanompo namany anankiray
izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io
ka nokendainy nataony hoe:

“Aloavy ny trosako any aminao!”

Niankohoka ilay namany,
dia nifona taminy nanao hoe:

“Mba omeo andro aho,
dia haloako ny anao rehetra.”

Nefa tsy nety izy,
fa lasa nampanao azy an-tranomaizina,
ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe:

“Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko;
ka moa tsy tokony hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?”

Dia tezitra ny tompony,
ka natolony ny mpampijaly izy,
ambarapandoany ny trosa rehetra.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...