Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 18, 25-28)

Raha miala amin’ny haratsiana nataony ny ratsy fanahy, dia hamelona ny fanahiny.

Izao no nolazain’ny Tompo: Ianao manao hoe:

“Tsy marina ny lalan’ny Tompo!”

Mihainoa àry, ry taranak’i Israely:
Moa ny lalako va no tsy mahitsy?
Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?
Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina,
ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany,
dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany.
Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy
ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony,
dia hamelona ny fanahiny izy.
Raha sokafany ny masony,
ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy,
dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24, 4-5ab. 6-7. 8-9

Tsarovy, ry Tompo, ny famindram-ponao.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao
izay efa hatramin’ny fahagola.
Noho ny fitiavanao, ry Tompo,
hadinoy ny otako fahazaza.

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany FiIipy (Fil. 2, 1-11)

Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa.

Ry kristianina havana,
raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo,
na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany,
raha misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika,
ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina,
ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana
na filan-dera foana,
fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
samy tsy hihevitra ny azy ihany,
fa ny an’ny namany koa.
Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa, dia izao:
na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy,
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra
ho zavatra nobaboiny,
fa nialàny izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona,
sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-tenany ho ambany,
nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany,
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra,
fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany FiIipy (Fil. 2, 1-5)

Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa.

Ry kristianina havana,
raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo,
na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany,
raha misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika,
ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina,
ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana
na filan-dera foana,
fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
samy tsy hihevitra ny azy ihany,
fa ny an’ny namany koa.
Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 28-32)

Nanenina izy ka nandeha ihany. Ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:

“Ahoana no hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahy matoa izy ka nanao taminy hoe:

‘Andeha, anaka, miasa any amin’ny tanimboaloboka anio’.

Fa hoy izy:

‘Tsy handeha aho’.

Kanjo nony afaka izany,
nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io:

‘Handeha aho, tompoko’;

kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”

Hoy ireo:

“Ny lahy matoa”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo,
ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...