Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jôn. 3, 1-10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva, ary namindra fo Andriamanitra.

Tonga tamin’i Jônasa fanindroany ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Mitsangàna ianao,
mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.”

Dia nitsangana i Jônasa,
ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra,
fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna,
lalana indray andro aloha i Jônasa,
ka nitory izy nanao hoe:

“Rahefa afaka efapolo andro,
dia horavana i Niniva!”

Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka,
ka niala teo amin’ny seza fiandrianany,
nanesotra ny kapaotiny,
mirakotra lasàka,
ary nipetraka teo amin’ny lavenona.
Ary nantsoina tao Niniva
sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka
sy ny mpifehy amin’izao teny izao:

“Aza misy manandrana zavatra akory
na miraotra sy misotro rano,
na olona na biby, na omby aman’ondry;
aoka samy hirakotra lasaka ny olona sy ny biby;
ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra,
samy hiala amin’ny lalan-dratsiny
sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.
Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra
sy hitonen’ny hatezerany mirehitra,
ka dia mba tsy haripany isika.”

Nahita ny nataon’izy ireo
sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra,
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra
ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 129, 1-2. 3-4ab. 7-8

Raha mitsikilo heloka Ianao, Tompo ô, iza no hahatanty?

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
Tompo ô, henoy re ’zany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.

Raha tsikilovinao irony heloka natao.
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no ahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.

Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo.
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy.
Afaka tanteraka ny helony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

Nandray Azy tao an-tranony i Marta. I Maria no nifidy ny anjara tsara.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray,
ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony.
Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy,
izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;
fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be.
Dia niato kely izy ka nanao hoe:

“Tompoko,
tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?
Mba asaovy manampy ahy re izy.”

Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Marta, Marta,
maro tadiavina sy be tebiteby ianao,
nefa zavatra iray monja no ilaina;
fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra
izay tsy halana aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...