Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 22, 21-27)

Raha manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny madinika ianareo, dia hirehitra aminareo ny fahatezerako.

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao.
Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao,
dia hitaraina amiko izy,
ka hohenoiko ny fitarainany;
hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo;
ary ny vadinareo ho mpitondra tena,
ny zanakareo ho kamboty.
Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao,
amin’ny mahantra eo aminao,
aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy,
aza maka zana-bola aminy.
Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao
dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
fa iny no hany firakofany,
iny no fitafiany anaronany ny vatany,
ka inona àry no hoentiny mandry?
Raha mitaraina amiko izy,
hohenoiko ny fitarainany,
fa antra olona Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab

Tiako Ianao, ry Tompo fa heriko.

Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko,
Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.

Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!

Veloma ny Tompo!
Hisaorana ny Vatolampiko!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 5d-10)

Efa niala tamin’ny sampy ianareo, mba hanompo an’Andriamanitra sy hiandry ny Zanany.

Ry kristianina havana,
fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be
sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra
any Masedônia sy Akaia kosa indray.
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany
no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo,
fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy,
mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra
izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’ny Farisianina
fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa,
izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany
ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...