Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)

Nirìko ny ho voaozona hamonjeko ny rahalahiko.

Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky nirìko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny rahalahiko izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka,
sy ny voninahitra sy ny fanekena,
sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarka,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa!
Derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto;
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didiny aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)

Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy na dia sabata aza ny andro?

Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa,
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany.
Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe:

“Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy
ka nositraniny ary nalefany handeha,
izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo,
iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana
na dia sabata aza ny andro?”

Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...