Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 3, 3b-10. 19)

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Samoela nandry tao an-Tempolin’ny Tompo
izay nisy ny fiaran’Andriamanitra;
dia nantsoin’ny Tompo i Samoela ka namaly hoe:

“Inty aho!”

Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helî, nanao hoe:

“Inty aho, fa niantso ahy ianao”.

Ary hoy i Helî;

“Tsy niantso aho, fa miverena mandry”;

Dia lasa izy nandry.
Nantsoin’ny Tompo indray i Samoela,
ka niarina i Samoela dia nankany amin’i Helî nanao hoe:

“Inty aho, fa niantso ahy ianao”.

Namaly i Helî hoe:

“Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry”.

Tsy mbola nahalala ny Tompo i Samoela,
satria tsy mbola nanehoana ny tenin’ny Tompo izy.
Ary nantsoin’ny Tompo fanintelony indray i Samoela ka niarina,
dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:

“Inty aho, fa niantso ahy ianao”.

Fantatr’i Helî tamin’izay fa ny Tompo no niantso ny zaza,
ka hoy i Helî tamin’i Samoela:

“Mandehana mandry,
fa raha misy miantso anao, valio hoe:
“Mitenena, ry Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao”.

Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany.
Ary tonga ny Tompo ka nitsangana tao,
dia niantso toy ny taloha nanao hoe:

“Ry Samoela ô! ry Samoela ô!”

Dia namaly i Samoela hoe:

“Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao”.

Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy ny Tompo
ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10

Inty aho, ry Tompo, mba hanao ny sitrakao.
na hoe: Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko; ny lalanao lalako, no sitrako.

Niandry ny Tompo aho ka niandry,
niondrika Izy, nihaino talaho,
hira vao no nataony teo am-bavako,
fiderana an’ilay Tompontsika.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;
Ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.

Voasoratra amin’ny boky ny momba ahy:
ny manao ny sitrakao, no mamiko;
ny lalànao, ry Tompo, no ato am-poko.

Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorìko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 6, 12e-15a. 17-20)

Rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo.

Ry kristianina havana,
ny vatana tsy mba ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo;
ary ny Tompo, ho an’ny vatana.
Efa nanangan-ko velona ny Tompo Andriamanitra,
ka hanangana antsika amin’ny heriny koa.
Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo?
Ary izay miray amin’ny Tompo dia fanahy iray aminy.
Halaviro ny fijangajangana.
Ny fahotana hafa rehetra
dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa;
fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra.
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo
dia tempolin’ny Fanahy Masina,
Izay mitoetra ao anatinareo,
sy noraisinareo tamin’Andriamanitra,
ka tsy anareo ny vatanareo?
Fa olom-boavidy lafo ianareo.
Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 35-42)

Nahita izay nitoerany izy ireo, sy nitoetra teo aminy.

Tamin’izany andro izany,
teo i Joany sy ny mpianany roa lahy,
ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo:

“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”.

Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo,
dia nanaraka an’i Jesoa.
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy,
dia nanao taminy hoe:

“Inona no tadiavinareo?”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika)
aiza Ianao no mitoetra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Avia fa ho hitanareo”.

Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany,
sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny;
ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.
I Andre rahalahin’i Simôna Piera no anankiray tamin’izy roa lahy
izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa.
Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa
dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe:

“Efa hitanay ny Mesia”
(izany hoe i Kristy, raha adika).

Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy,
ka nony nijery azy i Jesoa i dia nanao hoe:

“Ianao no i Simôna zanak’i Joany;
hatao hoe i Sefasy ianao”,
izany hoe, Piera (vato).

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...