Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 17, 32-33. 37. 40-51)

Vato sy antsamotady no nanatonan’i Davida ilay Filistinina.

Tamin’izany andro izany:
Izao no nolazain’i Davida tamin’i Saola:

“Aza misy mamoy fo ny olona
fa andeha hiady amin’io Filistinina io ny mpanomponao.”

Fa hoy i Saola tamin’i Davida:

“Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin’io Filistinina io mba hiady aminy,
fa ianao mbola zaza,
izy efa lehilahy mpiady hatramin’ny fahatanorany.”

Dia hoy i Davida:

“Ny Tompo izay efa namonjy ahy tamin’ny liona sy ny orsa,
no hamonjy ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io.”

Ka hoy i Saola tamin’i Davida:

“Andeha àry, ary homba anao anie ny Tompo.”

Ny tehiny no noraisin’i Davida teny an-tanany,
vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin’ny rian-driaka
sy nataony tao an-kitapo fitondran’ny mpiandry ondry,
kotra fasiana haza;
ary ny antsamotadiny no nataony an-tanana,
dia nandroso nanatona ilay Filistinina izy.
Nanatona an’i Davida tsikelikely itý Filistinina,
nialohàn’ny lehilahy nitondra ny ampingany.
Nijery ilay Filistinina ka nahita an’i Davida, ary naneso azy,
fa tanora kely mena volo ary tsara tarehy.
Hoy ilay Filistinina tamin’i Davida:

“Fa izaho angaha alika no tehina no hankanesan’ialahy atý amiko?”

Dia nanozona an’i Davida amin’ireo andriamaniny ilay Filistinina.
Ary hoy ilay Filistinina tamin’i Davida hoe:

“Mankanesa atý amiko ange ialahy,
raha tsy omeko ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon’ialahy e!”

Fa hoy kosa ny navalin’i Davida an’ilay Filistinina:

“Ianao manatona ahy amin’ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy,
fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika,
ny Andriamanitry ny foloalindahin’i Israely, izay notsiratsirainao.
Anio dia hatolotry ny Tompo eo an-tanako ianao,
ka hasiako ianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao;
anio dia homeko ny voro-manidina any an-danitra sy ny bibin’ny tany
ny fatin’ny tafiky ny Filistinina,
ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra i Israely;
ary ho fantatr’izao vahoaka rehetra izao
fa tsy sabatra na lefona no amonjen’ny Tompo,
fa azy ny ady, ka efa natolony eo an-tananay ianareo.”

Nitsangana ilay Filistinina
dia niainga nandroso hitsena an’i Davida,
dia nohazakazahin’i Davida nohatonina teo amin’ny laharan’ny miaramila koa izy,
ka natsofok’i Davida tao anatin’ny kotrany ny tanany,
notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin’ny antsamotady.
Nahavoa ilay Filistinina tamin’ny handriny izy,
sady niletra tamin’ny handriny ny vato,
ka lavo niankohoka tamin’ny tany izy.
Nahomby noho ilay Filistinina izany i Davida
tamin’ny antsamotady iray sy ny vato iray,
dia novonoiny ho faty ilay Filistinina.
Tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.
Nihazakazaka i Davida dia niato teo akaikin’ilay Filistina
ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin’ny tranony,
ka namonoany azy sy nanapahany ny lohany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10

Isaorana ny Tompo vatolampiko.

Isaorana ny Tompo
vatolampiko,
Ilay mampianatra ny tanako hamely,
ny sandriko hiady!

Ilay Fialofako sy Toera-mafy ho ahy.
Fiarovana avo ho ahy sy Mpanafaka ahy!
Ilay Ampinga sy aroko,
mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko.

Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao!
Valiha tory folo no iantsàko Anao!
Ianao Ilay manome Fandresena ny Mpanjaka,
sy manafaka an’i Davida mpanomponao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 1-6)

Inona no mety hatao ny sabata: ny mamonjy aina sa ny mamono?

Indray Sabata,
i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao.
Ary nizaha taratra Azy ny sasany na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia,
mba hiampangany Azy.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:

“Mitsangàna etsy afovoany.”

Ary hoy koa Izy tamin’ny olona:

“Inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny soa sa ny ratsy,
ny mamonjy aina sa ny mamono?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy,
sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony,
ary nilaza tamin-dralehilahy hoe:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
Ary lasa nivoaka ny Farisianina:
ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina
hanao izay hahavoazana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...