Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 24, 2. 9-17)

Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa?

Tamin’izany andro izany,
hoy i Davida mpanjaka tamin’i Jôaba filohan’ny tafika, izay teo aminy:

“Mandehàna tetezo ny fokon’i Israely rehetra
hatrany Dana ka hatrany Bersabea,
hahafantarako ny isan’ny vahoaka.”

Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka,
ka nisy valo hetsy, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely,
ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’i Jodà.
Nandre ny fony nitebiteby i Davida nony nanisa ny vahoaka,
ka hoy i Davida tamin’ny Tompo:

“Nahavita fahotana lehibe aho, tamin’ny nataoko!
Koa ankehitriny, Tompo ô,
mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao,
fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.”

Nony ampitso, rahefa nifoha i Davida,
dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehàna lazao amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Zavatra telo no apetrako eo anoloanao,
ka fidio izay iray hataoko aminao.”

Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe:

“Ho tonga amin’ny taninao va ny mosary fito taona,
sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalonao izay hanenjika anao va ianao;
sa hasian’ny pesta hateloana ny taninao?
Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an’Ilay naniraka ahy.”

Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada:

“Latsaka am-panahiana lozantany aho ity!
Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’ny Tompo
fa be famindram-po Izy,
toy izay ho azon’ny tanan’olombelona.”

Ary ny Tompo naniraka pesta any amin’i Israely,
hatramin’ny marainan’izay andro izay,
ka hatramin’ilay fotoana voafetra,
ka nahafatesana fito alina ny olona,
hatrany Dana ka hatrany Bersabea.
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy.
Fa nanenenan’ny Tompo ny amin’izany loza izany,
ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka:

“Aoka izay, fa avonkòny amin’izao ny tananao.”

Teo akaikin’ny famoloan’i Aerônà, Jeboseanina,
no nitoeran’ilay Anjelin’ny Tompo tamin’izay.
Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’ny Tompo:

“Indro izaho no nanota, izaho no meloka,
fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa?
Ka aoka re izaho sy ny mpianakavin’i Kaky no hasian’ny tananao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6-7

Miaiky heloka aho, ry Tompo.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota.
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bavany.

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho,
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota.

Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany.

Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza,
izaho hodidininao
hiram-pahafahana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny ihany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rahefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:

“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna?
Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny?”

Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny
sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.”

Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...