Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 2, 1-4. 10-12)

Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity, ka mahereza ianao, ry Salômôna, misehoa ho lehilahy.

Nony efa akaiky ny andro hahafatesan’i Davida,
dia nandidy an’i Salômôna zanany izy, nanao hoe:

“Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity,
ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy.
Tandremo ny fanompoana ny Tompo Andriamanitrao,
fa araho ny lalàny, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany,
araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy,
mba hahomby ianao amin’izay ataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao,
ka dia hotanterahin’ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe:

‘Raha mitandrina ny diany ny zanakao,
ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra
dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.’”

Dia nandry any amin’ny razany i Davida,
ka nalevina tao an-tanànan’i Davida.
Efapolo taona no andro nanjakan’i Davida tamin’i Israely,
ny fito taona nanjakany tany Hebrôna,
ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema.
Ary i Salômôna nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy,
ary niorina tsara ny fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: 1 Tant. 19, 10. 11ab. 11d-12a. 12bde

Ianao, ry Tompo, no manjaka amin’izao rehetra izao.

Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibeazana sy hery,
ny hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.

Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny Fanjakana,
sy ny fisandratana ho Lohan’ny zava-drehetra.

Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no manjaka amin’ny zavatra rehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)

Nanomboka naniraka azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany,
niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa,
ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto.
Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo
na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony,
afa-tsy tehina ihany,
fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa.
Ary hoy koa Izy taminy:

“Na aiza na aiza halehanareo,
dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo,
dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.”

Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy,
sy nandroaka demony maro,
ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...