Vakiteny voalohany

Bokin’i Siraka (Eklesiastika 47, 2-13)

Tamin’ny fony tokoa no nankalazan’i Davida ny Tompo sy nitiavany an’Andriamanitra.

Toy ny fanavaka ny sabora amin’ny sorona fisaorana
no nanavahana an’i Davida teo amin’i Israely.
Nilalao tamin’ny liona toy ny zanak’osy izy,
ary tamin’ny orsa, toy ny zanak’ondry kely.
Fony izy mbola tanora,
tsy namono ilay goavam-be va izy, ka nahafa-kenatra ny vahoaka,
nony nanainga tanana mbamin’ny vaton’antsamotadiny izy,
sy nanongana ny reharehan’i Gôliata?
Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy,
ary ny Tompo nanome hery ny tanany an-kavanana,
hamono mahafaty an’ilay mpiady mahery,
mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany.
Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin’ireo iray alina;
noderaina izy, noho ny fitahian’ny Tompo;
ary natolotra azy ny satro-boninahitra.
Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo,
nohoseny tamin’ny tongony ny Filistina, ny mpanohitra;
noketrahiny mandraka androany ny herin’ireny.
Tamin’izay rehetra nataony izy nanolotra haja ny Masina, ny Avo Indrindra,
tamin’ny teny fiderana;
tamin’ny fony tokoa nanao hira fankalazana ary tia an’Ilay nanao azy.
Nanendry mpihira eo anoloan’ny ôtely izy
ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin’ny feon’ireo.
Nataony manetriketrika ny fety,
ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe,
amin’ny fotoana ankalazan’ny mpihira ny Anara-masin’ny Tompo
sy hampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina.
Ny Tompo kosa namela ny hadisoany,
nanandratra ny fahefany ho mandrakizay;
ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka,
sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin’i Israely.
Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray,
tao anatin’ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy.
Nanjaka tamin’ny androm-piadanana i Salômôna
fa nomen’Andriamanitra fitsaharana amin’ny manodidina rehetra izy,
mba hanorina tempoly ho an’ny Anarany sy hamboatra toerana masina mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 17, 31. 47 sy 50. 51

Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Andriamanitra: lavorary ny lalany,
ny Tenin’ny Tompo dia voasedra.
Izy no mpanao soa
an’izay mifefy aminy.

Velona anie ny Tompo, hisaorana ny vatolampiko!
Hasandratra Ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Koa midera Anao eto anivom-pirenena aho,
sy miantsa ny Anaranao, ry Tompo!

Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany;
anehoany hatsaram-po ny Voahosony:
dia i Davida sy ny taranany
hatrany amin’ny mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

I Joany izay e dia ilay notapahiko ny lohany fa efa nitsangan-ko velona izy.

Tamin’izany andro izany:
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe:

“I Joany Batista nitsangan-ko velona izay,
ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”;

fa ny sasany kosa nanao hoe:

“I Elia izay”,

ary ny hafa indray dia hoe:

“Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.”

Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe:

“I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany,
fa efa nitsangan-ko velona izy.”

Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra
sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.”

Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina,
ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:

“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”,

sady nampiany tamim-pianianana hoe:

“Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.”

Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe:

“Inona no angatahiko?”

Ary hoy reniny:

“Ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe:

“Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista.”

Nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy,
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia,
ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...