Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 3, 4-13)

Omeo saina mahiratra ny mpanomponao, hahafahany mitsara ny vahoakanao.

Tamin’izany andro izany:
Nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza.
Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io.
Ary ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina , tany Gabaôna,
ka hoy Andriamanitra taminy:

“Angataho izay tianao homeko anao.”

Dia hoy ny navalin’i Salômôna:

“Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao,
araka ny nandehanany teo anatrehanao,
tamin’ny tsy fivadihana sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao;
notohizinao izany fitiavana azy lehibe izany,
ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy,
araka izao hita izao.
Ary ankehitriny, Tompo Andriamanitra ô,
efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao;
izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao,
vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina,
fa maro be loatra.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao hitsarako ny vahoakanao,
hanavahako ny soa sy ny ratsy.
Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoaka maro be izao.”

Nankasitrahan’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy.
Ka hoy Andriamanitra taminy:

“Noho ianao nangataka izany zavatra izany,
ka tsy nangataka andro maro ho anao,
sy tsy nangataka harena ho anao,
ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao;
fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;
dia indro, tanterahiko ny teninao fa omeko saina hendry sy mahiratra ianao,
ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao,
ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao.
Omeko anao mbamin’izay tsy nangatahinao koa aza,
dia harena amam-boninahitra hany ka tsy hisy toa anao na iza na iza,
amin’ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 9-10. 11-12. 13-14

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny Fitsipikao.

Fomba ahoana no hitanan’ny zatovo ny hadiovan-toetra?
Dia ny fitandremana ny Teninao!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao.

Raketiko ato am-poko ny didinao
mba tsy hanotako aminao.
Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!

Tanisain’ny molotro avokoa ny sata rehetra
voalazan’ny vavanao!
Ny lalan’ny fanambaranao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo,
ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:

fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...