Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 8, 1-7. 9-13)

Nentiny teo amin’ny fitoerany ny fiara faneken’ny Tompo, ao amin’ny fitoerana masina indrindra ka nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona.

Tamin’izany andro izany,
novorin’i Salômôna tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon’i Israely,
sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian’ny zanak’i Israely,
mba hamindra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo avy amin’ny tanànan’i Davida,
izany hoe any Siôna.
Ka nivory tao amin’i Salômona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin’i Israely,
tamin’ny fety, amin’ny volana Etanima, volana fahafito.
Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely,
dia nentin’ny mpisorona ny fiara.
Nentiny ny fiaran’ny Tompo mbamin’ny trano lay fihaonana
sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay,
ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo.
Ary i Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy,
dia niaraka taminy teo anoloan’ny fiara.
Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona.
Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny fitoerany ny fiaran’ny faneken’ny Tompo,
dia tao amin’ny fitoerana masin’ny trano,
ao amin’ny fitoerana masina indrindra,
teo ambonin’ny elatry ny kerobima.
Fa namelatra ny elany tambonin’ny fitoeran’ny fiara ny kerobima
ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny.
Tao anatin’ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa,
napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Hôreba,
fony ny Tompo nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely,
tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta.
Nony nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona
dia nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona,
ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona,
noho ny amin’ny rahona,
fa nameno ny tranon’ny Tompo ny voninahitry ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 131, 6-7. 8-10

Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko!

Indro lazaina hoe any Efrata ny fiarany,
anatin’ny saha manodidina eo no napetrany!
Midira ao an-tranon’ilay Masin’ny Masina!
Midira ao an-kianjany, miankohofa anoloany!

Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko!
Ka ento mba hiditra ilay Fiaranao Masina.
Ny olam-boahosotra anie hitandro ny rariny.
Hifaly, hihoby, hidera Anao ny mpivavaka!
Ny tavan’ilay voahosotra aza atosika,
tsarovy i Davida mpanomponao re, ry Tompoko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

Izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Tamin’izany andro izany,
nony tafita i Jesoa sy ny mpianany,
dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo.
Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo,
dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona,
ka lasa nitety ny manodidina,
ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana
ho any amin’izay reny fa misy Azy.
Na taiza na taiza nalehany,
na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha,
dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary,
sady niangavy taminy mba havelany hanendry
na dia ny sahondran’akanjony ihany aza,
ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...