Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 8, 22-23. 27-30)

Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao.

Tamin’izany andro izany:
Tao anoloan’ny ôtelin’ny Tompo i Salômôna,
nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra
sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe:

“Ry Tompo Andriamanitr’i Israely ô,
tsy misy Andriamanitra tahaka Anao,
na amin’ny lanitra ambony, na amin’ny tany ambany,
fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao,
izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa.

Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra?
Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby anao,
koa mainka fa ity trano nataoko ity!
Kanefa, ry Tompo Andriamanitra ô,
tsimbino ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao,
henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao anio;
ka ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity anie ny masonao,
dia amin’ny fitoerana izay nilazanao hoe:

‘Ho ao ny Anarako;
ka henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao amin’ity fitoerana ity.’

Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao,
raha mivavaka amin’ity fitoerana ity izy;
mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra,
mihainoa, ka mamelà heloka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 83, 3-5. 10-11

Drey, mahatehotia ny fonenanao ry tompon’ny tafika.

Ny fanahiko manembona ka reraka, manina ny kianjan’ny Tompo!
Ny foko sy nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona!
Sambatra izay monina ao an-tranonao
ka midera Anao mandrakizay!

Jereo, ry Andriamanitra Mpanao soa anay, tazano ny Tavan’ilay voahosotrao!
Eny, andro iray eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo ao an-tranon’ny tena.
Aleo mijoro eo am-baravaran’ny Andriamanitro,
toy izay miantrano ao an-dain’ny mpanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo.

Tamin’izany andro izany,
niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,
ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa.
— Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra
dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany,
fa mitana ny fanaon-drazana izy;
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.
Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana
dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. —
Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe:

“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana,
fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?”

Ary hoy ny navaliny azy ireo:

“Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy
araka ny voasoratra hoe:

‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony,
fa manalavitra Ahy ny fony;
koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana.’

Ny didin’Andriamanitra afoinareo,
fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo toy ny manasa tavoara sy kapoaka,
ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo.”

Dia hoy Izy taminy:

“Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra
mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo.
Fa hoy i Môizy:

‘Manajà ny rainao sy ny reninao; ary koa:
Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty’.

Fa hoy kosa ianareo:

‘Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe:
Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao dia efa Kôrbana
izany hoe: fanatitra ho an’Andriamanitra’,

dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny intsony,
ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra;
sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...