Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 1, 6-12)

Tsy tamin’olombelona no nandraisako ny Evanjely, fa tamin’ny fanambaràn’i Kristy.

Ry kristianina havana, gaga aho raha dia mivadika faingana toy izany ianareo,
ka ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy
dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.
Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie,
fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana,
mba hampitabataba anareo fotsiny!
Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza,
ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorìnay taminareo,
dia aoka ho voaozona izy.
Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny,
fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo,
dia aoka ho voaozona izy.

Ary ankehitriny, olombelona ve no ilako sitraka sa Andriamanitra?
Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko?
Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.
Ampahafantariko anareo, ry kristianina havana,
fa ny Evanjely izay notorìko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona;
fa tsy tamin’olombelona no nandraisako na nianarako azy,
fa tamin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 7-8. 9 sy 10d

Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be!
Lehibe ny Asan’ny Tompo
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany;
mahatoky avokoa ny lahany:
mafy orina mandrakizay alaovalo,
vita amim-pahamarinana sy hitsiny.

Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy,
sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
Masina sy mahatahotra ny Anarany.
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)

Iza àry no namako?

Tamin’izany andro izany,
nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe:

“Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?”

Ary namaly izy ka nanao hoe:

“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra,
ary ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao.”

Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Iza àry no namako?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao,
azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany
ary saika maty vao navelany.
Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy,
nefa nandalo ihany.
Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy,
nefa nandalo ihany.
Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy,
ka nangoraka nony nahita azy.
Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy,
vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy.
Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe:
‘Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny,
dia honerako rahefa miverina aho.’
Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?”

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna:

“Ilay niantra azy.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana àry ka manaova toy izany koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...