Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 18, 1-2. 21-23 ; 19, 1-3. 9a)

Rava i Babilôna lehibe.

Hitako izaho Joany, nidina avy any an-danitra itý Anjely nanam-pahefana lehibe,
sy nanazava ny tany tamin’ny voninahiny.
Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe:

“Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony,
sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra
ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!”

Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray,
naka vato hoatra ny vato lehibe fikosohan-dafarinina,
ka nanipy azy tany anaty ranomasina, nanao hoe:

“Hazera tampoka hoatra izany i Babilôna tanàna lehibe,
ka tsy ho hita intsony!
Dia tsy ho re ao aminao intsony ny feon’itý mpitendry harpa,
sy ny mpitsoka mozika mbamin’ny mpitsoka sodina sy trômpetra.
Ny mpanao taozavatra rehetra tsy ho hita eo aminao intsony,
ary ny feon’ny vato fikosohan-dafarinina tsy ho re ao intsony koa.
Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony,
ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony;
satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany,
ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.”

Rahefa izany,
dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe:

“Aleloia! An’Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,
fa marina sy mahitsy ny fitsarany,
satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza
izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany,
sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.”

Dia naverin’izy ireo fanindroany indray ny hoe:

“Aleloia!”

Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna.
Dia hoy ilay Anjely tamiko:

“Soraty:
Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.

Fo falifaly anompoana ny Tompo,
tongava eo aminy mihira miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra:
fa Azy isika satria noarìny
sy tena vahoakany,
ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo:
ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra
ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)

Nohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema,
dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,
ka amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra,
izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany,
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,
satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.
Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany,
fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany,
ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý:
haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra,
ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily.
Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...