Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 20, 1-4. 11 — 21, 2)

Notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra. Indro hitako nidina avy any an-danitra i Jerosalema vaovao.

Izaho Joany nahita anjely anankiray nidina avy any an-danitra,
izay nitana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa
sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany.
Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana,
ka nafatony arivo taona, dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa,
ary nohidiany tao sy nasiany tombo-kase teo amboniny,
mba tsy hamitahany firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona;
fa rahefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.
Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara,
sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaran’i Jesoa
sy noho ny tenin’Andriamanitra, mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny,
sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny na tamin’ny tanany,
fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.

Rahefa izany, indro hitako itý seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra,
sy Ilay mipetraka eo amboniny;
ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;
ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana.
Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina,
dia ny bokin’ny fiainana izany;
ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo,
manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.
Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy;
ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy,
dia samy notsaraina araka ny asany avy izy.
Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo:
— izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo.
Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana
dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.

Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho;
fa efa lasa ny lanitra voalohany, sy ny tany voalohany,
ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina.
Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra,
dia i Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina,
voaomana hihaona amin’ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a

Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona.

Manembona Anao lalandava ny foko.
Misento maniry ny kianjanao.
Endrey velon-kira mihoby ny foko,
mientana, faly miandra Azy Tompo.

Ny voromanidina ireny tsy lao,
ireo sidintsidina mbamin’ny fody,
mitoetra manila ny Otelinao,
ry Tompo Mpanjakan’ny tany tontolo.

Endrey ny hasanbaran’ny vahoakanao,
mihoby, midera tsy tapaka Anao.
Miravo tokoa ’zay mitoky aminao,
mavitrika, tojo ny lalan-kombana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:

“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...